Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-6

2 Ary raha mpino no tompon'izy ireo, dia rahalahiny ihany ka aoka tsy hoesoiny, fa vao mainka hotompoiny tsaratsara kokoa aza, satria tsy iza fa ny rahalahy malalany ihany no tompoiny. Tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona izany. 3 Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin'i Jesoa-Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana mampanaja an'Andriamanitra,

4 dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan'ady hevitra aman'ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, 5 fifanoherana tsy misy farany, fanaon'ny olona efa ratsy saina sy nialan'ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena. 6 Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka, omban'ny fianinana; 7 satria tsy nitondra na inona na inona isika no niditra tamin'izao tontolo izao, ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto: 8 koa rahefa manan-kohanina sy hitafiana, dia aoka hianina amin'izany. 9 Fa izay te-hanan-karena, dia tafalatsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin'ny fandringanana amam-pahaverezana. 10 Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin'izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin'ny fijaliana maro. 11 Koa aoka àry hianao, ry olon'Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.

12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason'ny vavolombelona maro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0784